- Madagascar Television - https://matv.mg -

Nosy Maorisy : nifamono ny mpiasa malagasy sy bangladais, 23 naratra

Raikitra ny ady teo amin’ny mpiasa samy vahiny, teratany malagasy sy bangladais izay miasa ao amin’ny orinasa afakaba FMT ao Pointe-aux-sables ao nosy Maurice ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Olona 100 mahery no niady ka naratra ny 23, izay samy teratany Malagasy avokoa, ary ny 3 tamin’ireo dia naratra mafy mihitsy ka voatery naiditra hopitaly any an-toerana.

Raha araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia ny resaka Coronavirus no fototra niaingan’ny fifamaliana. Samy mihiboka amina trano lehibe iray moa izy ireo noho ny fiarovana amin’ny aretina. Misy teratany avy any Bangladesh izy ireo, ary koa teratany avy eto Madagasikara. Nahian’ny mpiasa bangladais ho misy mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tamin’ireo mpiasa Malagasy namany, ka izay no naharaikitra ny fifamaliana, izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy.

Efa tonga teny an-toerana ihany ny polisy nialoha io fotoana io, nandamina izay raharaha mampiahiahy izay, kanefa raha vao dify ny polisy, dia raikitra indray ny ady.

TR


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/nosy-maorisy-nifamono-ny-mpiasa-malagasy-sy-bangladais-23-naratra/

Copyright © 2014 . All rights reserved.