- Madagascar Television - https://matv.mg -

Rasazy misotro ronono : Novonoina dia nohidiana tao an-tranony

Nihoron-koditra ireo nahita maso ny zava-nitranga tany Benato Betroka, ny Alakamisy lasa teo. Mpampivelona iray efa misotro ronono no hita faty irery tao an-tranony. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity vehivavy efa 70 taona ity. Mbola hita tao an-tranony ny famaky sy antsy mihoson-drà nampiasain’ireo olon-dratsy. Olona 2 hatreto no efa voasambotra, voarohirohy tamin’ny raharaha.
Araka ny fizahana natao tamin’ny razana, dia nahitana diam-pamaky teo amin’ny lohany, nisy diana fira antsy ihany koa ny vozony. Raha ny fahitana ny razana dia tombanana ho iray volana no efa nahafaty ity mpampivelona ity, saingy tsy nisy nahita fa nohidian’ireo nahavanon-doza tao an-tranony.
Ny zafikeliny niala sasatra tany Betroka, izay nangataka handefasany vatsy, no nahafantarana ny marina. Nilaza mantsy ny mponina tao an-tanàna fa sady tsy hita any Betroka no tsy any Fianarantsoa, toerana fandehanany matetika, ilay mpampivelona. Nidina ifotony hijery izay mahazo ny renibeny ireo zafikeliny sy ny fianakaviana. Fofona maimbo nivoaka avy tao amin’ny trano fonenany no nanaitra ireo fianakaviana sy fokonolona ary manampahefana nanomboka nanao ny fikarohana. Novakiana ny tano, ka sary mampihoron-koditra no sisa nivantanan’ny havany sy ny fokonolona. Raha ny ampaham-panazavana voalohany vokatry ny fanadihadiana, dia resaka fitakian-trosa no ahiana ho ambadiky ny namonoana ity mpampivelona ity.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/rasazy-misotro-ronono-novonoina-dia-nohidiana-tao-an-tranony/

Copyright © 2014 . All rights reserved.