- Madagascar Television - https://matv.mg -

Renim-pianakaviana : nampijaly ny zanany kely Nahazo fahafahana vonjimaika

Nampijaly ny zanany, nentina nitadiavam-bola, nahazo fahafahana vonjimaika ilay renim-pianakaviana. Omaly no niakatra fampanoavana ity raharaha ity, ary dia io ny didy savaranonando navoakan’ny Fampanoavana teny amin’ny fitsarana.
Raha tsiahivina, dia fampijaliana ankitsirano imasom-bahoaka no nihatra tamin’ilay zaza, izay nentin’ny reniny nitadiavam-bola.
Teny Mahamasina no nisehoan’izany, ka gejainy amin’ny vy, izay toy ireny natokana sy apetaka amin’ny zaza malemy ireny, ilay zanany. Izany dia entiny hampangoraka ny mpandalo azy mianaka, ka hanome vola azy.
Tsy vitan’izany, fa sady tsongoiny no kapohiny ilay zaza, ankoatra io fanagejana amin’ny vy io.
Mahita izany tokoa ny mpandalo dia entin’ny fo sy ny alahelo, ka dia manome izay foiny.
Rehefa nohamarinin’ny polisy tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony, dia salama tsara tsy nahitana soritra fahasembanana ilay zaza, ary ataon’ilay reniny fitaovana fotsiny ihany izy io.
Efa nentina teny amin’ny biraon’ny polisy, nampahafantarina ny lalàna sy ny mety hahazo azy ilay renim-pianakaviana.
Vao nivoaka ny birao anefa, dia nentiny niverina teny amoron-dalana indray ilay zanany, ka teo no tsy maintsy nisambotra azy ny mpitandro filaminana.
Nitohy tamin’ny fanadihadiana azy ny raharaha, ary niafara tamin’ny fiakaran’­izany teo anatrehan’ny fampanoavana.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/renim-pianakaviana-nampijaly-ny-zanany-kely-nahazo-fahafahana-vonjimaika/

Copyright © 2014 . All rights reserved.