- Madagascar Television - https://matv.mg -

Sekoly ambony ny Zandarimaria ao Moramanga : napetraka ny “Centrale d’achat”

Ny rehetra dia natao hanaraka ny toromarika sy ny lamina, indrindra ny fepetra, izay apetraky ny Fanjakana hiadiana amin’ny fiparitahan’ilay tsimokaretina “coronavirus”.

Ny sekoly ambony an’ny Zandarimariam-pirenena dia nahita vahaolana vonjimaika ho famaliana ny filàn’ireo zandary sy ny fianakaviany, izay miasa ao an-toerana.

Napetraka nanomboka ny zoma lasa teo, araka izany, ny “centrale d’achat” na tsena ho an’ireo ao anatin’ny faritry ny sekoly.

Izao dia ho fanamafisana ny fihibohana, fa indrindra indrindra ho fanamaivanana ny rehetra eo amin’ny fiantsenana sy ny fividianana izay zavatra ilaina ao an-tokantrano, toy ny sakafo sy ny kojakoja madinika.

Hita ao amin’ity tsena ity avokoa ireo izay entana na zavatra ilaina andavananandro.

Ankoatra ny sakafo, toy  ny vary sy ny legioma ary ny voankazo, dia afaka manjifa izay kojakoka ilaina ao an-tokantrano ihany koa ireo zandary sy ny fianakaviany.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/sekoly-ambony-ny-zandarimaria-ao-moramanga-napetraka-ny-centrale-dachat/

Copyright © 2014 . All rights reserved.