- Madagascar Television - https://matv.mg -

TIM : Toamasina Voasakana tao amin’ny Magro dia nidina an-dalambe

TIM : Toamasina Voasakana tao amin’ny Magro dia nidina an-dalambe

Voabahan’ny mpitandro filaminana ny toerana tao amin’ny Magro, voatondro hanaovana ny zaikabem-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara tany Toamasina, ny asabotsy lasa teo. Voatery nitafa tamin’ny mpomba azy an-dalambe, teo anoloan’ny hopitaly kely any Toamasina ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. “Ny fanjakana mihitsy no mamporisika antsika hidina an-dalambe”, hoy Ingahy Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy.
Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina, dia efa tonga tsikelikely teny amin’ny manodidina ny Magro ny mpomba ny filoha teo aloha sy ireo mpikatrokoa ao anatin’ny antoko TIM. Tsy nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ny prefen’i Toamasina, na dia teo aza ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana nampihantona ny naoty navoakany.
Voatery nidina ny fiara namonjy sy nandamina ny mpiara-dia aminy, efa nibahana ny arabe, ny filoha mpanorina ny antoko. Nandritra izany no nanehoany ny tsy fahafaliany sy ny fanakianany ny praiminisitra izay voalaza fa nanome baiko ny prefen’i Toamasina hanakana amin’ny fomba rehetra ny hetsika.
Nitanjozotra nihazo ny efitrano fivorian’ny kolejy David Jones izy ireo avy eo. Toerana izay nanatanterahana ny hetsika tamin’ny fomba tsotra dia tsotra.

F.A

 


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/tim-toamasina-voasakana-tao-aminny-magro-dia-nidina-an-dalambe/

Copyright © 2014 . All rights reserved.