- Madagascar Television - https://matv.mg -

Toamasina : nihaino ireo mpitarika posy sy « tuc-tuc » ny Praiministra

Niteraka olana ho an’ireo mpitatitra “tuc-tuc” sy “pousse-pousse” tao Toamasina ny tsy fahafahan’izy ireo miasa mandritra ny fe-potoana ampiharana ny fepetra hiadiana amin’ny COVID-19 ka nanao fitokonana nanehoana ny fitarainany momba ny fivelomany izy ireo. Araka izany, dia nifampidinika tamin’ny solontena avy amin’ireto mpitatitra ireto ny Praiministra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian omaly, notronin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nitondra vahaolana tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana izy ireo ary dia niravina ny savorovoro niseho. Nambaran’ny Praiminisitra nandritra izao fidinana izao ihany koa fa hojerena ny fomba tsy hahavery asa ireo mpisehatra eo anivon’ny toekarena manara-drafitra.

Teo ankilany, dia nanamafy ny Praiministra fa « mila manao ezaka isika ao anatin’ny 14 andro izay nandraisantsika fanapahan-kevitra » raha namory ireo tomponandraiki-panjakana teny an-toerana ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany fepetra izany ny tsy fahafahan’ireo fitaovam-pitaterana rehetra mandeha intsony, ankoatra ny mpitatitra entana hamatsiana ny filan’ny mponina amin’ny fiainana an-tanàna ; eo ihany koa  ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, afa-tsy ho an’ireo miatrika filàna vonjy maika na tranga tsy azo anoharana, toy ny mitondra marary, sy ny sisa.

Marc A.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/toamasina-nihaino-ireo-mpitarika-posy-sy-tuc-tuc-ny-praiministra/

Copyright © 2014 . All rights reserved.