- Madagascar Television - https://matv.mg -

Toamasina : tokantrano notafihan’ny jiolahy mitam-basy

Nisehoana fanafihana trano roa tao Salazamay Toamasina androany 3 aprily, tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Miisa 3 ireo jiolahy nisaron-tava sy nirongo antsy lava sy basy.  Norahonan’izy ireo ny olona tao an-trano mba tsy hihetsika. Lasan’izy ireo tamin’izany ny TV écran plat iray tao amin’ny tokatrano iray, ary lelavola 20.000ar sy finday kosa tao amin’ilay tokantrano iray hafa, izay tsy nisy afa-tsy renim-pianakaviana iray.

Tsapa ho manampy trotraka amin’ny adin-tsaina sy ny horohoro ateraky ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus indray koa ny asan-jiolahy sy ny fanafihana isan-karazany.

TR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/toamasina-tokantrano-notafihanny-jiolahy-mitam-basy/

Copyright © 2014 . All rights reserved.