- Madagascar Television - https://matv.mg -

Tobim-pako Andralanitra : Vehivay 22 taona maty voahitsaky ny kamiaon’ny Samva

Vehivavy 22 taona no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao lehibe mpitatitra fakon’ny SAMVA tetsy amin’ny toerana fanariam-pako Andralanitra ny alin’ny zoma lasa teo. Nanodidina ny tamin’ny 7 ora sy sasany no fantatra fa nitrangan’ny loza, ka ilay fiara lehibe nihemotra sy nanao «manoeurvre» no naha hitsaka tsy nahy an’ilay tovovavy. Voafingana, ary nianjera ilay vehivavy teto, ary avy hatrany dia notsenain’ny kodiaran’ilay kamiao, ka namoy ny ainy teo noho eo. Ny lohany mihitsy no voahitsaka teto, ka niteraka io fahafatesana io.
Fantatra fa mpitsindroka fako eny an-toerana izy io, ary maromaro izy ireo no nitangorona niandry ny fikatsahana ireo fako.
Fotoana fohy monja dia tonga teny an-toerana ny zandary nijery akaiky ny zava-nisy sy nanao fitsirihana ary fizahana.
Taorian’izany dia natolotra ny fianakaviany ny razana, ary ilay mpamily kosa dia nentina teny amin’ny borigadin’Ambohimangakely. Ity farany moa dia voatazona eny an-toerana ary efa natao fanadihadiana sy famotorana.
Ny teo anivon’ny SAMVA kosa teo anatrehan’ny loza dia efa nandray ny andraikitra tandrify azy, ary nanome toky ny hijery ny fomba rehetra, tsy hiverenan’ny loza tahaka izao.

Tantely A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/tobim-pako-andralanitra-vehivay-22-taona-maty-voahitsaky-ny-kamiaonny-samva/

Copyright © 2014 . All rights reserved.