- Madagascar Television - https://matv.mg -

Tsiroanomandidy : mody nanao mpiandry faty ireo jiolahy…

Tsy lany hevitra ny jiolahy… Tany Tsiroanimandidy omaly, dia nanararao-paty, ara-bakiteny, ireo jiolahy. Niditra toy ny olona hiandry faty tao amina tokantrano mana-manjo iray, izy ireo, dia nipetraka toy ireo fianakaviana akaiky, hanao fiaretan-tory. Mpivarotra no sady mpamboly ilay tokantrano nokendren’izy ireo.

Rehefa nangingina, somary efa rendreman’ny torimaso iny ny fianakaviana, dia niditra an-tsehatra nanao ny asa ratsiny izy ireo, tao amin’ilay tokantrano.

Niantso “vonjeo” anefa ireo olona tao an-trano, ka vetivety foana dia tonga teny an-toerana ny polisy, ary raikitra teo ny fifanenjehina. Voasambotra  ny 3 tamin’ireo mpanao ratsy. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela izy ireo. Marihana moa fa naratra nandritra io fanafihana io ny tompon-trano, fa na izany aza, dia tsy atahorana ny ainy.

TR.



Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/tsiroanomandidy-mody-nanao-mpiandry-faty-ireo-jiolahy/

Copyright © 2014 . All rights reserved.