- Madagascar Television - https://matv.mg -

Tsy nahitana tsimokaretina ny mpandeha 446 nandray fiaramanidina

 Nanomboka ny talata teo hatramin’ny androany tamin’ny mitataovovonana nandalovanay teny Ivato, dia mpandeha niisa 446 no nandray ny sidina nihazo ny Faritra. Sambava, Antsiranana, Nosy-be , Toliara, Taolagnaro, Mahajanga, Morondava no nisy ireo sidina ireo. Nisy ihany koa avy any Marolambo izay sidina manokana  avokoa.  Io tolakandro io dia mbola nisy sidina  farany hihazo an’i Sambava no sady nanakatona tanteraka ny fitaterana ireo mpandeha tamin’ny zotram-piaramanidina. Tsy maintsy nandalo fitiliana TDR avokoa ireo mpandeha rehetra tsy ankanavaka. Tsy nahitana na dia mpandeha iray aza nitondra ny tsimokaretina Coronavirus nanomboka ny talata teo ka hatramin’ny androany atoandro. Araka izany, dia afaka nandray ny sidina nankany amin’ny Faritra avokoa ireo mpandeha rehetra tonga teny Ivato, araka ny fanazavana nomen’Atoa Randretsaholy Némèse, Médecin-chef miandraikitra ny   fahasalamana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

NONO .R


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/tsy-nahitana-tsimokaretina-ny-mpandeha-446-nandray-fiaramanidina/

Copyright © 2014 . All rights reserved.