- Madagascar Television - https://matv.mg -

Vatofotsy : disadisam-piarahamonina noravana tamin’ny tifi-danitra

Nirefodrefotra ny basy teny Vatofotsy Antsirabe ny alin’ny talata teo, nanaparitahan’ny polisy ireo olona nisavorovoro noho ny disadisam-piarahamonina nitranga teo. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany, ny talata teo, no nanomboka ity sakoroka ity. Olana teo amin’ny tovolahy iray sy renim-pianakaviana mitaiza kely mpivarotra enta-madinika eo Vatofotsy no niatombohany. Sorena tamin’ny fanaovana maloto teo amin’ny tambohony ilay renim-pianakaviana, ka nametraka soratra mazava teo ho fandraràna izany. Nisy sorena tamin’io peta-drindrina io ny manodidina sasany ka nahatonga ny fifamaliana. Anisan’izany  io tovolahy voalaza io, ary nilaza mihitsy izy fa niharan’ny daroka nataon’ilay vehivavy tompon’ny toerana. Noho ny fifamaliana, dia nanomboka nitangorona ny olona, ary raikitra ny torabato sy toraka tavoahangy nataon’ireo olona tsy faly tamin’ny fivarotan’ilay ramatoa. Tonga hatramin’ny fandrobana mihitsy satria nisy entana very tao amin’io fivarotana io. Tonga haingana anefa ny polisy, ka rehefa tsy azo notenenina mora ireo olona niangona teo, dia voatery nanapoaka basy tifi-danitra nandravana ireo olona ireo ny mpitandro filaminana. Mbola nisy mihitsy aza moa no nitora-bato teny amin’ny polisy.  Nanamafy hatrany ny mpitandro filaminana fa voarara mafy ny mitangorona sy mivorivory noho ny fanahiana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Voafehy ihany anefa ny zavanisy ary mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba io raharaha io.

MAMY (Antsirabe)


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/vatofotsy-disadisam-piarahamonina-noravana-taminny-tifi-danitra/

Copyright © 2014 . All rights reserved.