- Madagascar Television - https://matv.mg -

Vatsy ho an’ny mpanao gazety : noraisina lisitra ireo tonga nefa tsy nahazo

Niveri-maina ireo mpanao gazety, tonga teny Ambohidahy, naka ny vatsy fanampiana avy amin’ny Goverinoran’ny Faritra Analamanga, araka ny fampanantenana natao azy ireo. Araka ny fandaminana vaovao napetraka, dia noraisina anarana isaky ny toeram-piasany avokoa ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana kanefa tsy nahazo ny anjarany. Hihaona amin’ny Goverinora ny solontenan’ny mpanao gazety, ny Alarobia 15 Aprily ary ho fantatra aorian’izay ny tohin’ny fizarana.

Araka ny fanazavana, dia mpanao gazety miisa 400 no efa nahazo ny anjarany tamin’ny Zoma lasa teo. Tsy naharaka ny vatsy satria nihoatra ny isa neritreretina ny isan’ireo mpanao gazety efa nahazo. Nasaina niverina ny Sabotsy lasa teo ireo mpanao gazety tsy nahazo ny anjarany tamin’ny Zomà. Tsy mbola nahazo ny anjarany anefa izy ireo, ary mbola nirava maina indray ny fizarana ny Talata 14 Aprily teo.  Na izany aza, dia tsy hojerem-potsiny ireo nasaina niverina ny Talata 14 Aprily fa izao noraisina lisitra izao ka mbola nampanantenaina hahazo ny anjaran’izy ireo.

Ireo mpanao gazety izay tonga teny Ambohidahy, ny marainan’ny Talata 14 Aprily 2020 ihany, araka ny fanazavana, no tafiditra ao anatin’ny lisitra tovana hahazo ny vatsy fanampiana.

FA.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/vatsy-ho-anny-mpanao-gazety-noraisina-lisitra-ireo-tonga-nefa-tsy-nahazo/

Copyright © 2014 . All rights reserved.