- Madagascar Television - https://matv.mg -

Vatsy tsinjo Toamasina : nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

Mpitarika posy sy mpitondra bajaj an’arivony maro indray no nanao hetsika an-dalambe tany Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Sady nitaky ny anjarany amin’ny fanampiana avy amin’ny Filoha izy ireo no mbola nanamafy ny fitakiany hanohy ny asa fivelomany.

 Vokatry ny serasera tsy mazava sady tsy mifandray teo amin’ny tomponandraikitra misahana ny fitsinjarana ny vatsy Tsinjo avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny mpitarika posy, hoy ny mpitandro filaminana no nahatonga izany. Mba hisorohana ny fihoaram-pefy, dia naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitari-posy sy ireo mpitondra bajaj izay efa nitangorona nanoloana ny kianjamitafo Soavita izay misy ny foibe misahana ny fitsinjarana ny vatsy Tsinjo. Nafindra toerana tao ambadiky ny kianja manarapenitra izy ireo ary tao no nitafa tamin’ny manampahefana. Manamafy hatrany ny fitakiany hanohy ny asa fivelomany ny mpitarika posy.

Anisan’ny olana, ho an’ny tomponandraikitra misahana ny fitsinjarana ny vatsy Tsinjo ny tsy fisian’ny tarehimarika mazava azo iaingana eo anivon’ny Kaominina ahafantarana ny tena isan’ny mpitarika posy sy mpitondra bajaj.

Tsy voahaja aloha izany ny fepetra ara-pahasalamana izay takiana amin’ny fihibohana ampahany any Toamasina vokatr’ity tranga ity.

F.A


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/vatsy-tsinjo-toamasina-nirefotra-ny-baomba-mandatsa-dranomaso/

Copyright © 2014 . All rights reserved.