- Madagascar Television - https://matv.mg -

Vohémar : Fiara 4×4 nentina Karàna nifaoka moto

Nisehoana lozam-pifamoivoizana  tao antampon-tanànan’i Vohémar ny  alahady lasa teo. Fiara tsy mataho-dalana iray, nentina teratany Karàna no voalaza fa nifaoka mpitaingina moto. Naratra mafy ity farany ary potika tanteraka ilay moto nentiny.

Nentina teny amin’ny hopitaly ilay lehilahy saingy noho ny hamafin’ny  fifandonana sy ny ratra mafy nahazo azy, dia tsy maintsy nafindra haingana  tany amin’ny hopitaly lehibe ao Sambava izy io.

Notanan’ny mpitandro filaminana ilay teratany karàna mpamily ilay fiara hanaovana ny fanadihadiana sy ny famotorana

TR.


Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/vohemar-fiara-4x4-nentina-karana-nifaoka-moto/

Copyright © 2014 . All rights reserved.