- Madagascar Television - https://matv.mg -

Vondrona Gamo-Mado : Fitaovana mitentina 10 tapitrisa Ar. natolotra ho an’ny MICA

Nitohy tetsy amin’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa Tanana ny fanohanana ny fanjakana avy amin’ny vondrona GAMO MADO. Entana mitentina 10 tapitrisa ariary mahery no natolony ho an’ny ministera tamin’izany, omaly maraina tetsy Anosy. Savony Blunett disinfectant 480 tavoahangy, Gel désinfectant 1000 ml miisa 60 tavoahangy, Eau de javel 48 tavoahangy, fontaine d’eau miisa 4, Bonbonnes d’eau 8 ary rano Sainto 45 packs amin’ny 1,5l sy 150 packs amin’ny antsasa-litatra. Ireo indray no natolotry ny vondrona Gamo Mado ho an’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa Tanana. Atoa Madé Razafitsalama, filoha tale jeneralin’ny Gamo Mado sy ny ekipany no nanatitra izany tetsy Anosy. Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, Minisitry ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa Tanana izay nandray ireto fanampiana ireto dia nisaotra sy nankahery hatrany ireo orinasa tsy miankina amin’izao ady hatrehan’i Madagasikara izao. Noamafisin’ny filoha tale jeneralin’ny Gamo Mado hatrany fa vonona hatrany ny orinasa tsy miankina izay tantaniny amin’ny maha Malagasy azy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana. Araka ny fanazavana hatrany dia vokarin’ny orinasa Gamo Mado avokoa ireto fanomezana ireto.

NONO .R



Article printed from Madagascar Television: https://matv.mg

URL to article: https://matv.mg/vondrona-gamo-mado-fitaovana-mitentina-10-tapitrisa-ar-natolotra-ho-anny-mica/

Copyright © 2014 . All rights reserved.