Fitrandrahana fasimainty : « mandika lalàna ny Base Toliara » hoy ny fikambanana miaro ny zon’olombelona

Miakatra  ny feo any Toliara I sy Toliara II. “Mandika lalàna ny orinasa Base Toliara, mpitrandraka fasimainty ao Ranobe”, hoy ny mpamboly sy ny mpiandriaka any an-toerana. “Araka ny didim-panjakana nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 06 novambra 2019, dia mihantona ny asa rehetra ataon’ny orinasa Base Toliara, hatramin’ny fahazoany manao serasera. Ny volana febroary 2020 teo anefa, dia namoaka filazana fitadiavana mpiasa ny orinasa. Tsy mbola misy anefa ny  didim-panjakana manafoana ny fampihatoana ny asany sy ny fahafahany manao serasera”, hoy Atoa Zazah, filohan’ny fikambanan’ny tantsaha mpiaro ny Zon’olombelona sy ny Tontolo iainana ao amin’ny fokontany Benetse, kaominina Ankilimalinike, DistrikaToliara II

Manohitra hatrany ny fitrandrahana fasimainty ao Ranobe Toliara II ny tantsaha avy amin’ireo fokontany 17 manodidina. “Tsy nisy tanteraka ny fampanantenana natao ho tambin’ny fakana ny tany fambolenay ka tsy ekenay izany satria mihakely ny toerana volena amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny orana. Mihena be ny vokatra, ka sady tsy ampy hohanina no tsy ahazoana ambim-bava hamidy”, hoy ny renim-pianakaviana iray ao Benetse.

Araka ny fanazavan’ny mponina, dia ny fakan-javamaniry antsoina hoe Baboho no ataon’izy ireo solon-tsakafo hamenoana ny vokatra tsy ampy, mandram-piakaran’ny vokatra manaraka, mandritra ny volana martsa sy aprily toy izao. Voarara anefa izany satria tsy navela niditra tao amin’ny faritra nisy ny Base Toliara izy ireo nialoha ny fampihantonana.

Ankoatra ny maha tahirin-tsakafo azy dia tahirim-panafody voajanahary ho an’ny mponina Masikoro ihany koa ny ala. “Maro amin’ny fianakaviana tantsaha no tsy mahatakatra ny vidim-panafody eny amin’ny farmasia. Ny ala izay nosakanana tsy idiranay no misy ireo zavamaniry fanao fanafody fampiasanay, ka tena mahatsiaro tena ho marefo izahay rehefa nosakanana tsy nahazo nampiasa izany”, hoy i Zazah, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana any Ankilimalinike, Toliara II.

Anisan’ireo 9 lahy izay nosamborina ary notazonina am-ponja tany Fianarantsoa noho ny fiampangana azy ireo ho nanimba ny fananan’ny orinasa Base Toliara ny filohan’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona sy ny Tontolo iainana ao Benetsy, Ankilimalinike Toliara faha-II. Manaitra ny fanjakana izy mba hijery akaiky ny raharaha. Na mbola hisy fisamborana sy fampidirana am-ponja aza, dia tsy hanaiky ny hampiasan’ny orinasa mpitrandraka fasimainty ny taninay izahay, hoy izy teo am-pamaranana.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.