Toamasina : Frantsay tompona trano fisakafoanana matin’ny pesta

Toamasina : Frantsay tompona trano fisakafoanana matin’ny pesta

Mbola tany Toamasina ihany no niseho ity trangana pesta ity, lehilahy iray teratany Frantsay indray mantsy no fantatra fa namoy ny ainy noho ny resaka pesta ny asabotsy lasa teo.
Ny fanazavana voaray no nahalalana fa dia tamin’iny herinandro iny no fantatra fa narary voan’ny pesta ity lehilahy ity taorian’ny fitiliana izay natao azy. Nampidirina hopitaly izy noho izany, kanefa voalaza fa tsy nanaiky ny ho tazomina ary nitsoaka ny faramparan’ny herinandro.
Ny zoma no voalazan’ny loharanom-baovao fa dia niharatsy ny fahasalaman’ity teratany vahiny ity, satria dia tsy nahatsiaro tena izy no sady nivoaka rà ihany koa.
Niezaka ny nanavotra azy ny mpitsabo kanefa dia tsy tana ny ain’ity teratany vahiny ity.
Trano fisotroana no sady fisakafoanana iray ao Ampanalana ao Toamasina no niasan’ity lehilahy ity, izay mampiasa olona anjatony. Betsaka ihany koa anefa ny olona mpividy ao amin’izany toerana izany. Fantatra fa efa nisy ny fizarana fanafody ho an’ireo fianakaviany sy ny mpiara-miasa aminy. Norarahana fanafody ihany koa ny toeram-pivarotany

TR.

Imprimer Imprimer

 

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.