Vatsy Tsinjo : nahazo ny anjarany ny mpanao gazety

Tsy diso anjara amin’ny  Vatsy Tsinjo avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ny mpanao gazety amin’izao ady atrehan’i Madagasikara  amin’ny Coronavirus izao. Ny mpanao gazety izay tsy maintsy mivoaka ny trano isan’andro, manatanteraka ny asany amin’ny fanomezam-baovao, no hisitraka izany. Atoa Hery Rasoamaromaka, governoran’Analamanga no niandraikitra izay fizarana ny Vatsy Tsinjo ho an’ny mpanao gazety izay tetsy Ambohidahy. Nambaran’ny  Governora fa manantena hatrany fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety amin’ny fitaterana ny vaovao marina sy ny fahaiza-manao tsikera raha toa ka misy ny lesoka, ny Fitondram-panjakana.

Nohamafisin’i Hery Rasoamaromaka fa ireo akany fitaizana zaza kamboty sy fitaizana ireo zokiolona no tena sahanin’ny Governoran’Analamanga amin’izao fizarana ny Vatsy Tsinjo izao. Nanentana ireo mponina isam-pokontany ihany koa ny Governoran’Analamanga amin’ny fananganana ilay rafitra Loharano,  mba ho ireo olona tena azo antoka sy eken’ny fiaraha-monina no mandrafitra io komity io. Nisaotra  sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana amin’izao fanohanana ny mpanao gazety izao Atoa Gérard Rakotonirina, filohan’ny Holafity ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM).

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.