Na dia mihatra eto an-drenivohitra sy ny manodidina aza ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina, dia misy hatrany ireo mihevitra ny tenany tsy ho tratry ny aloka. Roalahy saika hanao asa fanendahana teny Antohomadinika, manakaiky ny toby fiantsonan’ny fiara fitaterana mankany Mahitsy, no voasambotry ny Polisim-pirenena ny alin’ny alahadin’ny Paska teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany.
Ireo polisy nanao fisafoana no nahita azy ireo, ka avy hatrany dia vaky nandositra ireo olon-dratsy. Tsy afaka nandeha lavitra anefa, fa dia teo akaiky teo ihany dia voasambotra. Mbola nahitana antsy lava izay fampiasany amin’ny asa fanendahana fanaony, teny amin’izy roalahy ireto.
Mbolatiana R
Imprimer