Tovolahy iray, 17 taona, nitaingina bisikileta no maty nofaohan’ny fiara 4×4 iray nentina teratany karàna, tetsy Tsarasaotra io maraina io. Tamin’ny 9 ora 15 teo no niseho ny loza, teny amin’ny lalana mahitsy avy any Ivato mihazo an’i Tsarasaotra. Nirimorimo mafy avy any avaratra ilay fiara, raha ny fitantaran’ny vavolombelona. Voafaoka tamin’izany ilay tovolahy nitaingina bisikileta, Andrianjakafitahiana Mario na Avotra. Maty tsy tra-drano moa ity tovolahy ity. Potika tanteraka ihany koa ilay bisikileta. Nandositra kosa ilay fiara 4X4, nanohy ny diany nianatsimo ihany, saingy tsy nivoaka teo Tsarasaotra fa nanao dia miverina nitodi-doha ho any Ivato indray rehefa tonga tery alohaloha. Nandalo fanindroany teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza izy, araka izany, saingy tsy mbola nijanona velively fa mbola nirimorimo nirifatra ihany.
Nikoropaka kosa ireo vavolombelona nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tsy ela taorian’izay àry dia voasambotry ny zandary teny Ivato ilay teratany Karana sy ny fiarany.
Araka ny fitantaran’ny zokiny, dia hamangy fianakaviana eny Soavimasoandro no nialan’I Avotra tao an-tranony. Taorian’izay dia nentin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ilay fiara sy ilay Karàna mpanamoriny nanombohana ny fanadihadiana. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ity raharaha ity.
NONO.R
Imprimer