Ministeran’ny Serasera : Omena fanampiana ny artista sahirana

Isan’ireo mandalo fotoan-tsarotra ihany koa amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ireo artista Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany na ireo mpihira, n any mpanao sarimihetsika ary ireo maro hafa.
Olana ho azy ireo ny tsy fahafahana manatanteraka seho sy hetsika amin’izao fihibohana izao, satria dia izany no fidiram-bolan’izy ireo.
Eo anatrehan’izany indrindra, dia nizara fanampia­na ho azy ireo ny teo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly.
Vatsy Tsinjo 1000 isa no hozaraina ho an’ireo mpikanto, ka samy hahazo ny anjarany avokoa ireo avy amin’ny lafi-kanto samihafa.
Araka ny fanazavana, dia ireo sahirana tena mila fanampiana no hisitraka izany.
Izao no vita dia niainga tamin’ny fandaminana niarahan’ny federasiona ivondronan’ny mpisehatra amin’ny kanto samihafa sy ny minisitera mpiahy.
Ireo federasiona no nandray ny fanampiana, ka hizara izany amin’ireo mpi­kanto iray vondrona aminy.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.