Fanafihana fiara mpitatitra : Mpandeha 3 naratra, jiolahy 5 maty voatifitra

Nitrangana fanafihana vao maraina tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antohavolo Ambinany any amin’ny Distrika Ambalavao Tsienimparihy, omaly vao maraina. Fiara mpitondrta mpandeha namonjy tsena no lasibatra, hoy ny loharanom-baovao. Naratra vokatr’­-
izany ny mpandeha telo. Maty voatifitra kosa ny 5 tamin’ireo enin-dahy nanafika.
Basy telo no nen­tin’ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsiny. Norobain’­izy ireo avokoa ny vola tany amin’ireo mpandeha namonjy tsena, hoy ny loharanom-baovaon’olon-tsotra avy any an-toerana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny tontalin’ny vola very tamin’ny fotoana nahazoana ny vaovao.
Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisy sy ny zandary nanampy ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia, raha vantany vao naharay ny fampandrenesana. Niafara tamin’ny fifandonana izany ka maty voatifitra ny 5 tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka kosa ny anankiray tamin’izy ireo. Naratra nandritra ny fifandonana ny iray tamin’ny fokonolona nanara-dia.
Saron’ny mpanaradia sy ny mpitandro filaminana ny basy telo tamin’ny nampiasain’ireo mpanafika ary efa nogiazana. Nalefa avy hatrany notsaboina any amin’ny Hopitaly Be CHU Tambohobe Fianarantsoa ireo naratra.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.