Hiverina hitatitra ny taksibe : Mijanona 500 Ariary ny saran-dalana

Hiverina hitatitra manomboka anio ireo fiara fitateram-bahoaka, na ny an-drenivohitra na ireo ao anaty “zone suburbaine”.
Mazava ny fitsipika sy ny lamina ary ny fepetra napetraky ny Fanjakana, fa voarara ny fitondrana mitsangana, voafetra ihany koa ny isan’ny mpandeha.
Voafetra manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro no ahafahana miasa ho an’ny rehetra.
Tsy maintsy hamendrahana ranom-panafody ihany koa ireo fiara rehetra hiasa, no sady tsy maintsy mametaka aro vava na ny mpamily sy ny mpanampy azy na koa ireo mpandeha ao anatiny.
Mifanelanelana 1 andro ihany koa ny ahafahan’ireo fiara mpitatitra miasa, ka mandeha isaky ny fiafaran’ny laharan’ny fiarakodia izany. Mizara 2 izy ireo, ka ny laharana ankasa na ny “pair” no misantatra izany anio, hoan’ny laharana tsy ankasa na ny “impair” kosa dia hiasa manomboka ny alakamisy.
Ho an’ny eto an-drenivohitra ao anatin’ny “UCTU”, dia nilaza ny filohan’izany fikambanana izany, fa tokana ny saran-dalana hatreto, ka mijanona 500 ariary izany.
Arakaraka ny fivoaran-javatra sy ny iainana ihany anefa izany, fa raha misy ny fitarainana avy amin’ireo fiara mpitatitra, ny amin’ny mety hahafatiantoka azy ireo, dia tsy maintsy hisy ny fivoriana sy ny fandinihina izany.
Mety hiafara amin’ny fampiantsoana ireo tomponandraikitra mahefa izany, ary mety hiafara amin’ny fampiakarana ny saran-dalana.
Efa nanomboka omaly tolakandro ny famendrahana ireo ranom-panafody, ary hitohy hatrany izany hoan’ireo izay tsy mbola nahavita, ahafahan’izy ireo miasa.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.