Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina no nitranga omaly talata 31 martsa tetsy Tsarasaotra. Fiara 4*4 sy Sprinter no nifandona mafy ka vokatra izany dia olona 1 no namoy ny ainy ary 3 hafa no naratra mafy. Voatery niandry ny fahatongavan’ny mpamonjy voina ny olona teny an-toerana, nahafahana namoaka ny mpamily ilay Sprinter, izay tery tao anatin’ilay fiara.
