Manakara : voasambotra ny mpamaky trano 4 lahy

Lehilahy 4 no voasambotry ny Polisy ao amin’ny DRSP Vatovavy Fitovinany ny 04 Aprily lasa teo. Voampanga ho mpamaky trano ikoizana izy ireo. Anisan’ny nitory azy ny lehilahy tratran’ny vaky trano. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny kojakoja fampiasa ao an-tokantrano toy ny fahitalavitra. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy. Tratra tao an-tranona lehilahy iray ilay fahitalavitra very. Rehefa nofotorana ity lehilahy ity dia nilaza fa novidiany tamin’olona io fahitalavitra io. Nanohy ny fikarohana ny Polisy, ka niafara tamin’ny fisamborana ireo andiana mpamaky trano izany. Natolotra ny fitsarana omaly izy 4 lahy ireo.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.