Chambre des Notaires : Bientôt 73 Notaires à Madagascar

Chambre des Notaires : Bientôt 73 Notaires à Madagascar

Trano 312 tao amin’ny kaominina Androangavola distrikan’i Marolambo no may kila ny 07 Febroary lasa teo. Nanodidina ny tamin’ny 12 ora atoandro dia nijoalajoala ny afo, ary fotoana fohy monja dia nihitatra tamin’ireo trano manodidina izany.
Vokany, trano 312 be izao no indray may kila tsy nisy noraisina, ary tafakatra 2 243 ireo tsy manan-kialofana sy traboina.
Raha ny fampitam-baovao izay voaray avy any an-toerana dia fiangonana ny roa tamin’ireo trano may, dia ny FJKM sy ny « témoin de Jehovah ». Trano fitahirizana entan’ny FJKM kosa ny 9 ary ny iray biraom-panjakana. Ary trano fianarana ny akamaroan’ireo may tamin’ireo trano nirehitra.
Tafakatra hatrany amin’ny 319.563.000 Ariary kosa ny tetibidin’ny entana sy ny fananana ravan’ny afo tao amin’ity kaominina ity.
Napetraka vonjy maika tao amin’ny EPP sy CEG ary ny lisea tao an-toerana vonjy maika ireo traboina.
Hatramin’ny nahazoana ny vaovao dia tsy mbola fantatra mazava izay niteraka ny afo, fa ny efa fantatra dia tao aminà trano iray tao afovoan-tanàna no niandohan’izany, ka nihitatra tamin’ny manodidina.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.