67Ha : mpiasa hamonjy asa voaroban’ny mpanendaka

Misy amin’ireo mpiasa eo anivon’ny tsy miankina no tsy maintsy miasa hatrany na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana sy ny baiko tsy maintsy hihibohana ao an-trano, izay napetraky ny Fitondram-panjakana. Vitsy ihany anefa ny mpampiasa no miantoka fitaterana ireo mpiasa ao aminy, ka dia voatery mandeha an-tongotra ny ankamaroany. Mpiasa telo vavy, handeha hamonjy ny toeram-piasany eny Andraharo àry no niharan’ny fandrobana tetsy 67Ha, ny 26 martsa teo nanodidina ny tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Ny poketran’izy ireo nisy ny vola 43.000 Ar sy finday avo lenta no lasan’ireo mpanendaka.

Niantso Polisy avy hatrany ilay very fananana, ary nanome tanana ihany koa ireo vaomieran’ny fandriampahalemana tao 67Ha ka taorian’ny fikarohana dia lehilahy iray no tra-tehaka teo Sahamadio tsy lavitry ny toerana nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ihany. Tafatsoaka nihazo ny elakelan-trano kosa ireo namany roa hafa. Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisy.

TR.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.