67Ha : voaroba ny vola 4 tapitrisa ariary tao amin’ny cash-point

Tsy lany teti-dratsy ireo mpanao ratsy.  Anisan’ny lasibatr’izy ireo matetika ny cash point. Vola 4 tapitrisa ariary indray no lasan’ny mpangalatra amin’ity.

Io maraina io no nitrangan’izany teo amin’ny cash point iray tetsy 67Ha. Efa mpandalo eo ity mpangalatra ity, ka efa fantany mialoha ny fitoeram-bolan’ilay olona mitana ny cash-point. Rehefa varimbariana  àry ny tompon’ny tsena, dia nalainy moramora ireo vola ary niala moramora teo amin’ilay toerana ilay lehilahy ka lasa nitsoaka.

Tsikaritr’ilay tompona cash point avy hatrany anefa ireo vola nanjavona sy ny fihetsik’ilay rangahy niala teo aminy, ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Tao anatin’izany fifanenjehana izany no nifanena tamin’ireo Polisy manao fisafoana ity rangahy ity, ka dia noraisim-potsiny.

Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana famotorana, ilay lehilahy, ary efa naverina tany amin’ilay tompona cash point avokoa ireo vola nangalariny.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.