Miato avokoa ny sidina anatiny (vols domestiques) miainga eto Antananarivo manomboka androany, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, mba hamehezana ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus. Nambarany ihany koa fa hisy ny sambo lehibe ho tonga androany hitondra ireo “test rapide” sy tampim-bava avy any Chine.
