Tahaka ireo rafitra maneran-tany miandraikitra ny Fanatanjahantena, dia nivory tany Suisse ny mpikambana maharitra ao amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja Basket na ny FIBA ny 26 sy 27 Martsa lasa teo. Fivoriana natao tamin’ny alalan’ny Vidéoconférence ihany koa, noho ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina COVID-19. Iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana an’I Borislav Stankovic, Sekretera Jeneraly ny FIBA, izay vao maty vao haingana no nanombohana ny fotoana. Zava-dehibe maromaro no tapaka tamin’izany. Fantatra àry fa i Australie no hampiantrano ny Coupe du Monde Féminine FIBA 2022. Tsiahivina fa i Australie sy Russie no niady ny fandraisana izany fiadana ny Amboara eran-tany sokajy vehivavy izany. Manoloana ny resaka COVID-19 indray, dia nanaiky ny fanemorana ny Lalao Olimpika Tokyo 2020, izay notapahan’ny CIO sy ny komity mpikarakara any Japon ny FIBA. Na izany aza, dia manohy ny fifampiresahana amin’ny CIO, mba ahafahana mitady vahaolana ho an’ity Lalao Olimpika ity sy ireo fifanintsanana enina ambiny mbola tsy vita. Ahitana fifanintsanana 2 ho an’ny Basket 3X3, miampy 4 ho an’ny Basket ho an’olona 5 sokajy lehilahy. Taorian’ny 12 Martsa, izay andro nandraisana fanapahan-kevitra hampiato ny fifaninanana rehetra, dia nisy ny fihainoana ny tatitra nataon’ny Dr Peter Harcourt, Tale ny sampana Fahasalamana eo anivon’ny FIBA. Nisy, araka izany, ny fijerena akaiky ireo firenena handray ny fifanintsanana rezionaly sy maneran-tany ho an’ny taona 2002-2021, ahafahana mandray fanapahan-kevitra ny hanafoanana na hanemorana azy ireo, manoloana ny fihanak’ity valanaretina COVID-19 ity. Aorian’ny famoahana ny daty hanaovana ny Lalao Olimpika moa no handraisan’ny FIBA fanapahan-kevitra mahakasika izany. Toraka izany ihany koa, dia manentana ny talem-paritra isan-tokony ao amin’ny FIBA, ny birao foibe, handray fanapahan-kevitra mahakasika ireo fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny isaky ny kaontinanta, manoloana ity ady atao amin’ny COVID-19 ity. Ankoatra izay, dia nihaino ny tatitra mahakasika ireo fifanintsanana isan-tsokajiny ho an’ny fifaninanana taona 2020-2021 ny FIBA. Fa anisan’ny zava-dehibe nodinihana ihany koa ny fanovàna ny lalàna mifehy ny taranja Basket, manomboka ny 1 Oktobra izao. Ary farany, dia fiatoan’ny Federasionan’I Mexique, noho izy ireo tsy nahafeno ny fepetra napetraky ny komity mpanatanteraky ny FIBA, nandritra ny fivoriana farany.
Jacquinot R.