Tovolahy anankiroa no voasambotry ny polisy tany Fianarantsoa, nandritra ny alahadin’ny Paska teo. Nangalatra kojakoja fanaovan-trano ny iray. Namotika lagrôty misy sary masina kosa ny iray sady mbola niditra ankeriny tao amin’ny tokantrano roa ary nandratra olona 2 samihafa.
Nanodidna ny tamin’ny 4 ora tolakandro no voasambotra rehefa nifanenjehan’ny mpiambina tao amin’ny hotely lehibe iray ao Ambalakisoa, ilay tovolahy voalohany. Tsy vao sambany fa efa fanaony ny mangalatra fitaovana toa izao miaraka amin’ny namanany. Nisolovaika ny akalana samirery izy tamin’ity indray mitoraka ity satria tafaporitsaka ireo namany.
Tamin’ny 8 ora sy sasany alina kosa, efa tao anatin’ny “couvre-feu”, no fantatra fa nandrava an’ilay lagrôty masina ny tovolahy faharoa ary nanohy ny gidragidrany tany an-tranon’olona. Fitoriana telo no indray niandry azy teny amin’ny polisy. Samy efa natolotra ny fampanoavana ary miandry fitsarana any am-ponja izy roalahy.
F.A
Imprimer