Barea : Tsy mbola voafaritra izay ho mpampiakanjo vaovao

Ny 27 Aprily ho avy izao no hifarana ny fifanarahana eo amin’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra sy ny marika Garman tamin’ny fampiakanjoana ny Barean’i Madagasikara. Manoloana izany indrindra àry, dia tsy maintsy nanokatra tolotra ho an’ireo marika hafa malaza maneran-tany ny FMF ho an’izay fampiakanjoana ny ekipam-pirenena Malagasy izay. Dingana 7 no napetrak’izy ireo tamin’izany, izay nanomboka tamin’ny fametrahana ny rafitra hisahana sy hikarakara ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fampiakanjoana. Nitohy tamin’ny « appel d’offres » ny 7 Febroary lasa teo sy ny fametrahana ny « Comité ad hoc » hijery akaiky ny tolotra ataon’ny marika tsirairay. Ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana fa tsara toerana tamin’ireo marika nampiseho fahavononana ny “Le Cercle by TED”. Nanaraka azy tao ny MACRON, ERREA, SKITA, SAETA Sportwear. Teboka maromaro moa no fantatra fa nampisongadina ity marika tsy dia mbola be mpahalala loatra ity. Na dia tsara toerana tamin’ny tolotra nataony aza ny Le Cercle by TED, dia mbola tsy afaka ambara amin’ny fomba ofisialy ho mpampiakanjo ny Barea, satria mbola misy dingana telo hafa indray aorian’izay. Eo aloha ny fandinihana amin’ny antsipirihany ny vokatra sy ny antony nahazoany izany laharana voalohany nisy ny marika izany tamin’ny tolotra. Izany dia arahana fivorian’ny komity mpanatanteraka hanapahana amin’ny fanekena na tsia ny fisalorana ny marika. Rehefa tapaka izany rehetra izany, izay vao havoaka amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ny mpampiakanjo na ny “équipementier” an’ny Barean’I Madagasikara. Mbola tsy azo lazaina ho ny Le Cercle by TED araka izany aloha hatreto no mpampiakanjo ny Barea.

Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.