Nodimandry ny alahady teo i Rajaonarivony Tsizaraina Nathalie Hortense fantatra amin’ny anarana hoe Taa Tense. Mpanakanto fanta-daza namela mamy teo amin’ny sehatry ny hira sy ny dihy, namela mamy ihany koa tamin’ireo olona nahalala azy.
Ny alahady ihany dia tonga nitsapa alahelo sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’i Taa Tense ny teo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana sy ny tetsy amin’ny Gymnase Couvert Ankorondrano.
Omaly no nentina hihazo an’I Fandriana ny nofo mangatsiakany, toerana handevenana azy.
S.R
Imprimer