Taa Tense : Nodimandry ny alahady teo ny mpanakanto

Nodimandry ny alahady teo i Rajaonarivony Tsiza­raina Nathalie Hortense fantatra amin’ny anarana hoe Taa Tense. Mpanakanto fanta-daza namela mamy teo amin’ny sehatry ny hira sy ny dihy, namela mamy ihany koa tamin’ireo olona nahalala azy.
Ny alahady ihany dia tonga nitsapa alahelo sy nitondra ny teny fampiono­nana ho an’ny fianakavian’i Taa Tense ny teo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana sy ny tetsy amin’ny Gymnase Couvert Ankorondrano.
Omaly no nentina hihazo an’I Fandriana ny nofo mangatsiakany, toerana handevenana azy.

S.R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.