Miandrivazo : Trano 25 nodoran’ny dahalo, efatra namoy ny ainy

Miandrivazo : Trano 25 nodoran’ny dahalo, efatra namoy ny ainy

11

Mitetika ny hanao lalan-dririnina ny dahalo, ka manantena ny handroba mora foana hatrany. Nahazo remby ihany, saingy sendra ny fifandonana tamin’ireo mponina notafihany ka… fahafatesana no niafarany… Izany no niseho tany Miandrivazo.

Mafampana ny toe-draharaha ao Itondy ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fanazavana voaray, dia mahery vaika ny fanafihan-dahalo any an-toerana. Afakomaly maraina, dia trano 23 isa no may kila forehitra ary dahalo efatra namoy ny ainy, raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny loharanom-baovao azo antoka iray.
Raha araka ny fanazavana voaray, dia dahalo miisa 40 eo ho eo ireto nanafika ireto. Niditra an-keriny tao amin’ny fokontany Antsakoabe izy ireo. Nanapoaka basy ary nandroba omby. Ankoatr’izay, dia fantatra ihany koa fa nodoran’ireo mpanao ratsy ireo ny trano miisa 24 izay lasa lavenona.
Nanoloana ny zava-niseho, dia tsy nanaiky lembenana ny olona ka raikitra ny fanenjehina. Tratra ny mpanao ratsy ary raikitra ny fifampitifirana. Fokonolona telo isan’ny tompon-tanana no fantatra fa naratra nandritra ny fifandonana. Ankoatr’izay, dia fantatra fa jiolahy efatra no maty lavon’ny bala.
Raha araka ny fanazavana voaray hatrany, dia notaritarihan’ny jiolahy ny razan’ireo namany namoy ny ainy.

TR.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.