Ambanja : Polisy niharan’ny fitsaram-bahoaka, maty tsy tra-drano ny iray

Polisy 4, niaraka tamin’ny mpitari-dalana iray, nanao ny asany namita iraka, no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Antsifatra, Kaominina Analabe, Distrikan’Ambanja ny sabotsy lasa teo. Noho ny ratra nahazo azy, dia namoy ny ainy ny polisy iray manana grady AP 2 Fiana Leonard Jean Patrick. Ilay lehilahy sivily mpitari-dalana azy ireo kosa dia naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly.
Raha araka ny fampitam-baovao, dia tonga hamita iraka hijery akaiky ny tambazotra mpanao trafika rongony ao amin’io toerana io, ireto polisy 4 lahy sy ny mpitari-dalana azy ireo.
Tsy araka ny nampoizina anefa ny zava-niseho rehefa niditra ny tanàna izy ireo. Efa lasa nitsoaka avokoa ireo olona izay voampanga ho mpanao trafika rongony. Nifanehitra tamin’ny sefo Fokontany sy andian’olona maromaro àry ireto polisy niaraka tamin’ilay mpitari-dalana azy ireo. Teo no notondroin’ny olona ho mpamadika ilay lehilahy mpitari-dalana, ka nokasain’izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka. Novonoin’izy ireo avy hatrany ilay lehilahy sy ny polisy iray izay tsy afa-niala. Ireo polisy 2 hafa kosa tafatsoaka nandositra ihany, niala ity fitsaram-bahoaka ity. Vokatr’io hetsika fitsaram-bahoaka io dia namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ilay polisy AP 2, Fiana Leonard Jean Patrick, ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly kosa ilay lehilahy mpitari-dalana, izay naratra mafy.
Avy hatrany moa dia tonga teny an-toerana ny Talem-paritry ny Polisy ao anatin’ny Faritra DIANA nijery akaiky ity raharaha ity sy nanokatra famotorana sy fanadihadiana. Nentina nody any Mandritsara, toerana niaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay polisy AP 2 Fiana Leonard Jean Patrick.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.