Ambohibe Ilafy : Karàna lahy nisy naka ankeriny

Karana lahy iray antsoina hoe Anil Karim no lasibatry ny jiolahy mpaka ankeriny tetsy Ambohibe Ilafy omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 45 minitra. Jiolahy nitam-basy araka ny vaovao voaray no nanao izany.
Nosakanana tamin’ny vato ny lalana nandehanan’io teratany vahiny io teto, ka tsy afaka nandeha, ary dia voatery nijanona. Segondra vitsy monja taorian’izany dia lehilahy nitaingina moto, no nanambana basy azy, no sady niditra ankeriny tao anatin’ny fiarany, ary nitondra ankeriny azy. Tsy dia lasa lavitra loatra io toerana io, dia fantatra fa efa nisy fiara hafa niandry teny, ka nafindra tao anatin’izany ilay karàna, ary io indray no nitondrana azy ankeriny.
Araka ny vaovao voaray dia nisy fahatarany ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana, ka raha tsy efa taty aoriana be vao niezaka nanenjika sy nanara-dia ary nikaroka izy ireo. Tsy nahitam-bokany intsony izany teto, satria dia nanana fotoana nalalaka tsara ireo olon-dratsy nitsoahana. Anton’io fahataran’ny fampilazana io araka ny vaovao voaray, dia ny tahotry ny fianakaviany amin’ny ainy.
Efa noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana kosa ny raharaha, ka efa eo am-pikarohana sy eo am-panaovana fanadihadiana izy ireo, hanavotana ny ain’ity teratany vahiny ity, indrindra ny tsy handoavan’ny fianakaviany vola.
Tato anatin’ny volana maro izay, dia nangina tanteraka ny resaka fakana ankeriny ireo teratany vahiny eto an-drenivohitra. Izany dia noho ny fametrahana paikady matipaika ataon’ny mpitandro filaminana. Ny ratsy anefa tsy kely lalana, ka mahita hirika foana izy ireo, ary dia io niseho omaly io indray izany asa ratsy izany.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.