Analamahitsy : Misokatra hatrany ny « perception »

Analamahitsy :  Misokatra hatrany ny « perception »

Ny ampitson’ny fanafihana nitranga teny amin’ny « perception » Analamahitsy, dia misokatra hatrany ny birao ary niroso tamin’ny fizarana ny vola ho an’ireo mpisotro ronono ny mpiasa. Raha tsiahivina dia ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy fahefany no nisy andian-jiolahy nanafika ity toerana fizarana vola ho an’ny mpisotro ronono eny Analamahitsy ity.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Teo no naha lavo ny telo tamin’ireo jiolahy ary nahazoana  sam­bo-belona iray. Ho an’ireo tompon’andraikitra ao amin’­ny fizarana ny vola fisotron-dronono moa dia efa niverina nanao ny asany izy ireo mba tsy hisy fiantraikany amin’­ireo zokiolona ny zava-nitranga. «Efa nisy ny fifam­-
piresahana tamin’ny mpitandro ny filaminana  mba hahafahana mizara ny volan’ireo beantitra », hoy  Ramamandimbiarisoa Nirina Thierry, tompon’andraikitra ao amin’­ny tahirimbolam-panjakana. Efa nisy ihany koa, hoy izy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba tsy hiverenan’ny tranga toy ireny. Tokony hisy ny fepetra mifa­-
naraka amin’izany ho raisin’izy ireo. Nanamafy izany ihany koa ireo mpisotro ronono fa tokony hisy foana ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny toerana fizaram-bola mba tsy hampisy fakam-panahy ny olona. « Zokiolona avokoa no mandray vola amin’ny toerana tahaka itony tsy ho afaka hanao na inona na inona raha misy ny fanafihana tahaka ireny ka tokony  ho samy ho mailo », hoy hatrany izy ireo.
Tsy voafaritra mazava ihany koa moa ny momba ny vola izay lasan’ireo jiolahy satria mbola mandeha ny fanadihadiana mifandraika amin’izany  eny amin’ny « perception » Analamahitsy.

Ainy

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.