An’arivo ny olona mifanaretsaka isa-maraina etsy Anosibe

Toy ny andavanandro nialoha ny nisian’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina COVID-19, dia mizotra tsy nahitana fiovana ny zava-misy eny amin’ny tsenan’Anosibe sy ny manodidina. Androany maraina, dia olona an’arivo no mivezivezy manodidina ity tsena ity. Saika mibahana ny antsasaky ny lalana ireo fiara vaventy mitatitra entana sy sakafo ilaina ho an’ireo mpampongady. Manginy fotsiny ny fivezivezen’ireo mpibata entana sy ny sarety ary ny posy. Niverina tahaka ny mahazatra indray araka izany ny fitohanana, miainga eo amin’ny “rond-point” tsena ka hatreny amin’ny “rond-point” mihazo an’i Namontana. Marina fa ilaina ny famatsiana ara-tsakafo, fa ambony lavitra noho izany ihany kosa ny fahasalamana. Efa misy ihany moa ny fandraisan’andraikitra ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana, saingy mamerina ihany ireo olona rehefa dify izy ireo. Mitakosina sy mifanesika tanteraka ireo olona mandeha eny an-toerana, ka tsy voahaja ny elanelana iray metatra. Etsy ankilan’izay, dia miparitaka ny fako. Tokony hisy araka izany ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay, satria ady iarahana manao amin’ny COVID-19 izy ity. Efa miparitaka ny fifindran’ny tsimokaretina avy amin’ny fifandraisana mivantana na “cas contact” ka mila mailo hatrany ny rehetra.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.