Androndrakely : nilamina ny fiaingan’ny fiara ho any Atsimo

Nitohy androany ny fiaingan’ireo taksiborosy sy fiara tsotra mitondra ireo olona ho any amin’ny Faritra.

Ho an’ireo zotra hihazo an’i Fianarantsoa sy Toliara manokana, dia nafindra tetsy Androndrakely ny fiaingana, raha eo amin’ny stationnement Maki ihany ny fahatongavana avy any.

Tao anaty filaminana tanteraka no nizoran’ny pitsopitsony rehetra hatramin’ny fiaingan’ireo fiara tetsy Androndrakely.

Tsy nisy ny filaharambe sy ny fitangorongoronana toy ny tamin’ny andro voalohany teny amin’ireo toeram-piantsonana mahazatra. Nialana tamin’izany indrindra mantsy no antony namindrana ny fiaingana ho an’ireo ho any Toliara sy Fianarantsoa ho eo Androndrakely.

Tany am-boalohany, araka ny fanazavana, no somary nisedra olana ireo tomponandraikitra teny an-toerana. Fotoana fohy monja taorian’izay anefa, dia voavaha izany.

 Somary sahirana, na izany aza, ireo mpandeha teny an-toerana androany, indrindra ireo hihazo an’i Toliara. Nolazain’izy ireo fa tsy voahaja ny isan’olona tokony ho ao anaty fiara, satria dia 4 isaky ny seza izany. Ny saran-dalana ihany koa dia samy manana ny azy ireo kaoperativa.

Samy nandray ny andraikitra tandrify azy avy kosa ireo tomponandraikitra teny an-toerana, na ny minisitera, na ny kaoperativa, na ny ATT, na koa ireo mpitandro filaminana, ka nirindra araka ny tokony ho izy ny asa rehetra.

Nilamina tanteraka ny teny Androndrakely androany, ary ireo polisy sy ny zandary, dia tsy nisy niala teny raha tsy lasa avokoa ireo fiara rehetra hianatsimo.

Ho an’ny rahampitso alakamisy dia mbola ho eny Androndrakely ihany ny fiaingana ho an’ireo fiara ho any Fianarantsoa sy Toliara.

Tetsy andaniny nisy hatrany ny fanentanana ireo mpandeha amin’ny fahadiovana sy ny fizarana aro-vava ary ny fanomezana “gel hydroalcoolique” isaky ny fiara, izay nataon’ny “association Fitia”.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.