Manao antso amin’ny vahoakan’Antananarivo ny ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina. Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ». Izany dia mba ahafahantsika mitantana, mandrindra ary manara-maso ireo hetsika rehetra eny anivon’ny fokontany, na ara-tsosialy, na toekarena, na ara-pahasalamana.
“Mila olom-baovao ny firenena, to-teny, ary vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny Tanànantsika. Traikefa maro no ilaina amin’izany : fampianarana, fahasalamana, fiangonana, mpitandro filaminana sy ireo maro hafa, na tanora, na Ray aman-dreny, tsy anavahana na fiaviana, na finoana, na fotokevitra politika”, hoy ny nambarany tao anatin’ny fanambarana nataony.
Eny amin’ny boriboritany rehetra no anaterana ny antontan-taratasy misy ny anarana, ny adiresy, laharana finday, ny karapanondro ary ny traikefa azonao entina. Manomboka rahampitso izany ary mandritra ny 2 andro. Olona 6 isaky ny secteur no ilaina. Ao anatin’izany ny Sefo secteur.
Sidonie R.