Manakara : mpangalatra lavanila sarona teo amin’ny « barrage sanitaire »

Lehilahy iray nitondra lavanila maitso avy nangalariny no voasambotry ny Polisy tao Manakara tamin’ny 27 marsa lasa teo. Nitaingina moto izy io no nandalo teo amin’ireo mpitandro filaminana manao « barrage sanitaire » eo Ambokala, Kaominina Manakara. Rehefa nataon’ny polisy ny fisavana, dia nahitana lavanila maitso mbola tanora milanja 4 kilao tao anatin’ny kitapony. Tsy nanana fanazavana mikasika io entana io izy, ka dia nentin’ireo Polisy namonjy ny birao nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa avy nangalariny ireo lavanila ireo. Nohidiana antranomaizana avy hatrany ity lehilahy ity rehefa avy nandalo fitsarana omaly 06 aprily. Ireo lavanila kosa dia nodorana omaly teo anatrehan’ny Governoran’ny Faritra, ny Prefektiora, ny solotenan’ny ministeran’ny Varotra, ny Fambolena, ary ny « Plateforme vanille » any an-toerana.

TR.


Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.