Antsirabe II : Nanome savony 70 baoritra ny orinasa SOBA

Tafiditra indrindra amin’izao ady atao amin’ny valanaretina coronavirus izao, dia omaly maraina no tonga teny anivon’ny biraon’ny Distrikan’Antsirabe II ny orinasa Savonnerie Huilerie du Vakinankaratra, fantatry ny maro amin’ny hoe SOBA, orinasa mpanao savony iray eto Antsirabe, nanolotra savony 70 baoritra ho an’ny « Comité de Vigilance » eny an-toerana misahana ny ady amin’ity valanaretina ity sy mandrindra io ady io ihany koa ho an’ny distrikan’Antsirabe II manontolo. Zavadehibe iray amin’ireo fepetra ara-pahasalamana hiadiana amin’ny aretina coronavirus ny fanasana tanana amin’ny savony, ka antony nanomezan’ity orinasa ity ireo savony ireo izany, hoy Rtoa Mahenimanana Lanto, sefo Distrikan’Antsirabe II. Nambarany fa manao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo mpanentana sy mpiasan’ny Fahasalamana, ny mpitandro filaminana ary ireo tomponandraikitra voakasika rehetra, amin’ny fanentanana ny vahoaka ao Antsirabe II ary maro ireo vahoaka efa manana fiovam-pihetsika sy fitondran-tena manoloana ny fahazarana, amin’ity valanaretina ity, na dia somary manahirana ihany aza ny fiheveran’ny olona sasany any amin’ny tontolo ambanivohitra io aretina io ho tsy manao ahoana loatra sy tsy hahavoa azy ireo. Manginy fotsiny ihany koa moa ny tsy fahampiana ara-pitaovana, satria maro ireo toerana izay mbola manana olana amin’ny fahazoana rano ho an’ny fanasana tanana sy ny fahasahiranan’ny tantsaha ami’nny fahazoana savony ampiasaina amin’izany. Angady nanànana ireo fanomezana ireo moa ny solombavambahoaka ao Antsirabe II Randrianantenaina José, izay nahita io mpiara-miombonantoka nanolotra savony io, izay ho tsinjaraina any anivon’ny kaominina rehetra ao Antsirabe faharoa. Ity solombavambahoaka ity, izay nanolotra rano sy zava-pisotro ho an’ireo mpiasan’ny Fahasalamana sy mpitandro filaminana manao ny sakana ara-pahasalamana ao Andranomanelatra sy Ambohibary ihany koa omaly.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.