Fonjabe Antsirabe : nandraisana fepetra manokana ireo voafonja vaovao

Mba ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka eto amin’ny Faritra Vakinankaratra, ho fisorohana ny valanaretina Coronavirus, dia nanambara nanoloana ny mpanao gazety teto Antsirabe ny sampandraharaham-paritry ny Fiadidiana ny Fonja fa misy ny fepetra manokana noraisina. Ho an’ny famangiana ny voafonja, dia naato tanteraka izany hatreto ary voakasik’izay ihany koa ny voafonja any amin’ireo fonja hafa ato anatin’ny Faritra Vakinankaratra manontolo. Eo ihany koa ny fampiatoana ny famangiana sy ny hetsika rehetra fanaon’ireo fikambanana na antokom-pivavahana izay mpanao ny asa ara-panahy hoan’ny voafonja. Efa miasa ihany koa amin’izao ny toerana sy ny fitaovana manokana ho fanasana tanana amin’ny savony eny amin’ny fonja ary misy ny fanaraha-maso izany. Efa nahazo ilay fitaovana manokana fitsapana sy fakàna hafanana avy amin’ny sampandraharaham-paritry ny Fahasalamana rahateo ny Fandraharahana ny fonja eto Antsirabe ary efa mampiasa izany ara-potoana voatondro izy ireo. Fa isan’ny zava-dehibe ihany koa ny nilazan’ny Talen’ny Fandraharahana ny fonja eto Antsirabe, fa efa misy ny fotodrafitrasa nohajariana manokana ao amin’ny fonja eto Antsirabe, handraisana sy hanokanana mihitsy ireo voafonja vaovao vao miditra. Aorian’ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, sy ahitana fa tsy misy ahiana ny amin’izy ireo, dia alefa eny amin’ny daholobe amin’izay ireo voafonja vaovao ireo.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.