Antsirabe : mirongatra ny mpangalatra moto

Raha vao ravan’ny polisy vao tsy ela ny tambazotran’ny mpangalatra moto teto Antsirabe sy ny manodididna, dia io fa mirongatra indray izany tato ho ato. Ny alin’ny sabotsy teo, dia moto 3 no indray nanjavona tamin’ny fokontany roa samihafa teto Antsirabe, ary ahiana ho tambazotra iray ihany no nanao izany.

Voalohany ny tao Tomboarivo. Tokantrano iray misy fianakaviana maromaro mpanamboatra moto no niharan’izany. Maromaro ny moto an’olona izay amboarina no mipetraka ao ami’ireo fianakaviana ireo, izay trano maromaro mifefy tamboho iray ihany no misy azy ireo. Ny nahagaga, dia scooter miisa 2 izay an’ny raim-pianakaviana iray ihany no notsongain’ireo jiolahy, nalainy tao. Ny iray dia tena an’ilay raim-pianakaviana mpanao moto mihitsy, raha an’olona nampanamboarina tao kosa ny faharoa. Efa ny marainan’ny alahady vao tsikaritr’izy iro rehefa nisy namoha izy ireo fa tsy tao ireo moto roa ireo. Io alina io ihany koa, dia moto iray hafa, izay fantatra fa an’olona avy eny Ambalavato no hita teo Tomboarivo ihany. Nisy nahatsikaritra roalahy namelona moto nefa tsy nahavelona izany, ka rehefa natonin’ilay tompon-tanàna nahita azy ireo, dia lasa nirifatra nandositra izy roamaly ireo, ary teo no nahalalana fa halatra avy eny Ambalavato io moto io.

Efa mandeha, toy ny mahazatra ny fikarohana sy ny fanadihadiana.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.