Benenitra : mirongatra ny Pesta kisoa, 100 isan’andro no maty

Mandalo fotoan-tsarotra ny mpiompy kisoa ao amin’ny Distrika Benenitra.  Mirongatra ny aretina pesta kisoa, na ramoletaka. Tao anatin’ny herinandro monja dia 100 isan’andro ny kisoa maty any an-toerana.

Miteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpiompy any any an-toerana ity aretina “jambare” ity araka ny fiantsoan’izy ireo azy. Ho an’ireo mbola manana kisoa velona, dia tsy maintsy amidy mora izany, ary milatsaka hatrany amin’ny 5000 ariary ny kilaon’ny henakisoa any an-toerana manoloana izany aretina izany.

Mitaraina sy manao antso avo any amin’ny ambaratongam-panjakana  ireo mpiompy mba hijerena akaiky ny zavamisy ary hitondrana vahaolana maharitra mba hisorohana ny vokadratsy ara-tokarena, izay sedrain’ny mpandraharaha any an-toerana. Na dia miezaka manao izay tratrany aza mantsy ny dokotera mpitsabo biby, dia tsy maharaka izany noho ny hamaroan’ireo kisoa miaraka tratran’ny valanaretina.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.