Cité Ankatso : Lehilahy nikasa hamaky trano voasambotry ny polisy

Lehilahy iray nanao fihetsika mampiahiahy no nosamborin’ny Polisy teny Ankatso ny marainan’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora. Nahiahiana hamaky trano ity lehilahy ity. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany moa izy io ary naiditra amponja vonjimaika eny Antanimora eto am-piandrasana ny fitsarana.
Rehefa nanao ny asa fisafoana toy ny mahazatra ny Polisy ao amin’ny boriboritany fahatelo dia nahatsikaritra ity lehilahy iray tokony ho 30 taona teny amin’ny lalana mankany amin’ny Cité Ankatso sy Ambatomaro iny. Nampiahiahy ny Polisy moa ny fihetsiny ka dia niroso tamin’ny fisamborana azy avy hatrany ireto farany, raha efa nahita ny fihetsiny. Rehefa nosavaina teny aminy dia nahitana tandramokotra lehibe iray. Nentina avy hatrany teny amin’ny birao ity lehilahy ity natao famotorana. Tamin’izany no nilazany fa mipetraka eny Namontana izy ary saika hamaky trano teny amin’ny manodidina an’Ankatso sy Ambatomaro iny izao tratehaky ny Polisy izao. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany izy ka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.