Coronavirus : Arahi-maso ireo fokontany ahiahiana hisy mpitsoa-ponenana any Mahajanga

Ady roa sosona no atrehin’ny vahoaka sy ny mpitondra any Mahajanga. Andaniny, ny tazo mahery Dengue izay efa voamarina ny fisiany. Ankilany, ny fanahiana amin’ny fisian’ireo mpitsoa-ponenana an-tsokosoko avy atsy amin’ny nosy rahavavy Kaomoro eo anatrehan’ny aretina coronavirus sy ny aretina hafahafa efa namoizana ain’olona tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana any an-toerana, dia misy fokontany maromaro ao an-drenivohitr’i Mahajanga efa hanaovana andrimaso amin’izao fotoana izao, noho izy ireo ahiana hisy mpitsoa-ponenana an-tsokosoko.
Nivoaka an-gazety ary nalaza eran-tany ny zava-nitranga tany Kaomaoro ny herinandro lasa teo. Aretina hafahafa izay nitarika fahafatesana olona. Niaiky ny fioham-pirenena kaomaoriana, fa misy ny aretina coronavirus saingy noamafisiny, ny Zoma lasa teo, fa olona iray ihany no voamarina tamin’ny fitiliana ho tratran’ny aretina.
Ny fihetsiky ny firenen-dehibe nefa, eo anatrehan’izany, dia miteraka ahiahy ihany. Nandefa fiaramanidina naka ny terataniny ohatra ny Frantsay. Nivoaka tamin’ireo gazety tandrefana, fa maro ny mponina any Kaomaoro no mitady lalana hitsoahana hamonjy ireo firenena azo antoka kokoa.
Tsy nanamaivana izany vaovao nivoaka izany ny tompon’andraikitra any Mahajanga, hoy ny loharanom-baovao, fa nandray ny fepetra avy hatrany mba ho fisorohana. Vokatr’izany no voalaza fa nametrahana karazana andrimaso amin’ireo fokontany maromaro any an-toerana. Ny itovizan’ireo fokontany ireo, dia noho izy betsaka olona avy any Kaomaoro.

FA.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.