Nisavorovoro ny mponina tany amin’ny Distrikan’i Mitsinjo ny alakamisy teo noho ny fahatongavan’ny teratany sinoa tany an-toerana. Na dia nampiseho ny taratasy fanamarinana fa efa nahavita ny 15 andro nihibohana na ilay antsoina hoe « certificat de fin de mise en quarantaine » izay nomen’ny Fanjakana aza izy ireo, dia nampiahiahy ny mponina ihany. Nidina ifitony noho izany ny tomponandraikitra nijery ny zava-nisy.
Mbola nasaina nanao taratasy fanekena na lettre d’engagement fa hanao fihibohana any an-trano mandritra ny 14 andro hafa indray izy mirahalahy teratany sinoa ireo, izay mpiasa amina orinasa any Namakia. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay, dia afaka mivoaka ary mandray ny asa aman-draharahany amin’izay.
Mbolatiana R/Fah A
Imprimer