Distrikan’i Mitsinjo : nisavorovoro noho ny fahatongavana teratany sinoa

Nisavorovoro ny mponina tany amin’ny Distrikan’i Mitsinjo ny alakamisy teo noho ny fahatongavan’ny teratany sinoa tany an-toerana. Na dia nampiseho ny taratasy fanamarinana fa efa nahavita ny 15 andro nihibohana na ilay antsoina hoe « certificat de fin de mise en quarantaine » izay nomen’ny Fanjakana aza izy ireo, dia nampiahiahy ny mponina ihany. Nidina ifitony noho izany ny tomponandraikitra nijery ny zava-nisy.

Mbola nasaina nanao taratasy fanekena na lettre d’engagement fa hanao fihibohana any an-trano  mandritra ny 14 andro hafa indray izy mirahalahy teratany sinoa ireo, izay mpiasa amina orinasa any Namakia. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay, dia afaka mivoaka ary  mandray ny asa aman-draharahany amin’izay.

Mbolatiana R/Fah A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.